Taorian’ny fanentanana nataon’ny Lehiben’ny distrikan’Antananarivo II sy ireo sefom-pokontany eny amin’ny faritra avo mikasika ny tokony hialan’ireo mponina eny an-toerana,
indrindra amin’ireo faritra ahiana hihotsaka dia trano iray izay efa tranainy ihany no nianjera omaly maraina tokony ho tamin’ny 1 ora, teny La Haute. Nitriatra ny ampahany tamin’ity trano ity ka nanototra avy hatrany ireo olona telo tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny olona iray ary efa tao anaty tany kosa no nosokirina ny roa ambiny saingy avotra soa aman-tsara ihany. Tsy niandry ela ny fikambanana Za Gasy nanoloana izany fa nitondra ireo marary avy hatrany tany amin’ny hopitaly izay marihina fa efa nody omaly maraina ihany koa taorian’ny fitsaboana natao taminy. Notronina fokonolona marobe ny fikambanana nandritra izany. Nisy moa ny antso avo nataon’ny Filohan’ny fikambanana ny amin’ny hifanotronan’ny mpiara-belona tahaka izao raha sanatria ka misy zavatra mitranga amin’ny alina narahin’ny fankaherezana ireo fianakaviana nanamanjo sy fanentanana ireo tokony handao ny trano fonenany nefa mbola mikiry ihany. Marihina fa ny toetr’andro tahaka izao orana miampy hafanana izao no tena mampianjera ny trano fonenana haingana dia haingana tokoa, indrindra fa ireo efa tranainy. Toraka izany koa ny toerana mihotsaka izay efa maromaro ihany eny amin’ny faritra avo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.