Actualités

La Clairefontaine


  • Zoma 11 Septambra 2015

Nodimandry omaly teo amin’ny faha-66 taonany Rtoa Radavidra Gabrielle Aimée, mpanorina ny sekoly tsy miankina «La Clairefontaine» etsy Ambodivoanjo sy any Tolagnaro ary rafozam-bavin’i Sarah Ravalomanana zanaka vavitokan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.


Fianarantsoa
Notanterahina ny alarobia teo ny fitsarana mikasika ny fifidianana kaominaly natao tamin’ny 31 jolay 2015, ka nitorian’ny MAPAR ny HVM.
Nisy ny fampitoviana ireo fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana teo am-pelatanan’ny an-daniny sy ny an-kilany nandritra io. Nisy ihany koa fampiantsoana mpikambana tamina birao fandatsaham-bato sasantsasany.

Bakalôrea
Nivoaka omaly hariva ny valim-panadinana bakalôrea taona 2015 ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa. 42,98% ny taham-pahafahana tamin’ity.

Fanaovan-gazety
Nankatoavina omaly nandritra ny Filankevitry ny governemanta manokana notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny volavolan-dalàna mikasika ny Lalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara.

Fampirantiana hosodoko
Hiavaka ny fampirantiana "Ne détournez pas le regard" hotontosain’ireo ankizy 28 eo ambany fitarihan’ireo artista sangany Yamine Fidimalala, Eric Rakoto, Andry Anjoanina, Taka Andrianavalona etsy amin’ny Is’Art Galerie sy ny La Teinturerie etsy Ampasanimalo ny 12- 22 septambre 2015.

Fampandriantany
Araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Rakotozafy Dominique Jean Olivier, dia hisy ny “bataillon malagasy” ahitana miaramila 750 ao anatiny hanatanteraka fampandrian-tany any ivelany amin’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2016 na amin’ny taona 2017.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT