Actualités

Kung Fu Behoririka 30 taona nijoroana


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010


Mankalaza ny faha-30 taona niorenany ny Kung Fu Behoririka. Nifampitaona tao amin’ny Espace Mon Gouter Andrefanambohijanahary ireo mpikatroka tranainy maro omaly tolakandro hahatsiaro izany. Ankoatra ny famelabelaran-kevitra dia notsiahivina nandritra ity fihaonana ity ny dingana nolalovana sy niainan’ny Kung Fu Behoririka hatramin’ny 10 oktobra 1980 nanokafana ara-panjakana ny foibe tao Behoririka, notarihin’ny Grand Maitre na «Si-jo» Rakotoarijaona Pierre Mizaël izay angady nananana sy vy nahitan’ny Malagasy ny kung fu ka hatramin’ny daty manan-tantara 01 aogositra 1985. Trano zozoro no niandohany tao Behoririka. Amin’izao faha-30 taona izao dia hetahetan’ireo mpikatroka tranainy ny hiantsoana ny mpamorona ny kung fu teto Madagasikara ho “Grand maître Pierre” fa tsy “Pierre Be” toy ny teo aloha. Raiamandreny fanaja, olomanga izy, hoy izy ireo. Hafatra napetrany ny tsy fikasihana zava-mahadomelina, sigara, alikaola. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT