Efa nanao antso avo ny avy eo anivon’ireo mpianatra sy mpampianatra mpikaroka ary ireo ekonomista nandalo rehetra teny anivon’ny oniversiten’Antananarivo ny faran’ny herinandro teo
fa efa fanairana mainty fa tsy mena intsony no mahazo ny tontolon’ny toekarena eto Madagasikara ankehitriny. Misaona ny toekarena ary miakatra hatrany ny vidin-tsolika sy ny vidim-bary. Manoloana ity tranga farany ity moa dia nidina nanara-maso ny vidim-bary teny Anosibe omaly ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny delegasionina notarihin’ny minisitry varotra sy ny fanjifana, Chabani Nourdine. Nilaza ny praiminisitra fa niaraha-nahita fa vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro izay nitranga tamin’ny voalohan’ny taona no nahatonga ny fihenan’ny voka-bary tato amin’ny tsena anatiny ka nampiakatra ny vidim-bary teto. Niaraha-nahita teo, hoy izy anefa, fa mora kokoa kosa ny vidin’ireo vary nohafarana ary mila tohizana ny fidinany. Raha 1620 ariary ny kilao eny amin’ny mpamongady dia tokony ho 1720 ariary kosa ny vidin’ireo vary nohafarana eny an-tsena ho fifampitsinjovana. Ezahana ny hitobahan’ny entana manerana ny nosy sy ny fanamorana ny dingana rehetra ahafahana mampihena ny vidim-bary. Hotobahana vary avy any ivelany ary ve eto hamonoana ny tsena anatiny ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.