Actualités

Krismasy 2012 Nihena 50% ny mpividy mofomamy


  • Alarobia 26 Desambra 2012

“Tena mitsitsy ny fianakaviana izao. Raha mahalafo ‘buche de Noël’ am-polony isan’andro izahay teo aloha, izao zara raha mahita roa na telo.

 Ny kaomandy dia izahay indray no manda ny volan’olona teo aloha, tamin’ity anefa dia izahay indray no miantso  sy manambitamby ny mpividy. Ny mpanao kaomandy moa nihena 50% mihitsy raha ny zava-misy eto aminay”. Izay no nambaran’ireto fianakaviana mpanao mofomamy ao Toamasina ireto nilaza ny fahitany ny varotra ataony. “Raha mba fanararaotana kely amin’ny fandehanan’ny mofomamy ny fetin’ny krismasy tahaka izao, tsy izay no hita fa tena mahantra ny Malagasy ka ampandeferiny ireo haitraitra”, hoy hatrany izy ireo nanohy ny fanazavany.

Anisan’ny olana ho an’ireto mpanao mofomamy ireto koa ny fahalafosan’ny akora fampiasany, ny atody fotsiny 400 Ar ny maro indrindra…izay no mahatonga ny fiakaran’ny vidin’ny ‘buche de Noël’, izay 2.000 Ar – 3.000 Ar ny singany iray arakaraka ny karazany vidian’ny olona.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT