Loza, loza mahatsiravina ! Tovovavy teratany malagasy iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, nokapakapaina notapahin-doha tany Koweit, firenena nilany ravinahitra sy mba neritretiny hanova ny fiainany. Zanaka lahin’ny mpampiasa azy ihany no voalaza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana azy.
Nanam-potoana mihitsy ilehio nanaovana izany, satria nanomana “camera” handraketana an-tsary ny zava-mitranga rehetra izy. Fikasana hanolana no niandohany, saingy nanda hatramin’ny farany ilay tovovavy Malagasy. Tezitra noho ny tsy fahatanterahan’ny faniriany angamba ilay bandy ka ny namono nanapitra ny ain’ilay tovovavy no nataony. Voarakitra an-tsary avokoa ny zava-nitranga rehetra. Nisy nahatsikaritra ny nampirimany io raki-tsary io, ary dia tonga teny am-pelatanana teratany Malagasy dia ity farany indray no nanaparitaka azy ka tonga hatraty Madagasikara. Nisy fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra anisan’ny nahazo azy io. Tsy mbola nandrenesan-teny mikasika ity loza ity ny manampahefana eto an-toerana na ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona. Amin’ny faran’ny herinandro ity no heverina hahatongavan’ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy Malagasy, avy any Fianarantsoa ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.