Mahatezitra ny mpiara-belona ny fihetsiky ny ankamaroan’ireo mpitondra ambony eto amintsika eny an-dalambe eny.
Tsy te hiaritra fitohanana toy ny rehetra noho ny tsy fahazakana ilay fahefana kely eo am-pelantanana ka mitrifana sy manao tsinontsinona ny besinimaro mampiasa ny arabe, avy eo mitranga ny loza. Araka ny lalàmpanorenana eto amintsika anefa, dia ny filoham-pirenena, praiminisitra, filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary ireo filohan’ny antenimiera roa tonta ihany no manana zo sy voafaritry ny lalàna fa tsy maintsy homen-dalana, ary mahavoasazy ny fandikana ireny. Ankoatra ireo ny fiara fitondrana marary sy ny mpamonjy voina. Toa saika ireo manana toerana ambonimbony sy mahatsapa tena ho tompon’ny fahefana anefa dia manampatra fahefana avokoa, ka mahavita mandika lalàna mihitsy. Mba mahay lalàna ihany sa dia efa tena entin’ny fitia te hanampatra fahefana, ka minia mikipy sy tsy te hahalala ny lalàna ? Tsy ifandrenesana ny feon’anjomara sy kiririoka isan’andro eto Antananarivo, fa mihevi-tena fa azy ny tanàna, ka izy ireo no mandidy sy manapaka sy afaka manao izay tian-katao fa tsy toy ny rehetra. Afaka mandeha amin’izay lalana tian-kaleha ka na efa mandika lalàna izao aza tsy olana fa manampahefana, hono, e ! Manao izany avokoa na minisitra na solombavambahoaka tsotra, loholona tsotra, mpanolotsaina isan-karazany... Misy ny olona efa tena sosotra ary manomboka tsy manaiky akisakisaka isaky ny mihetsika eny an-dalambe eny, fa hiandry inona indray ireo manampahefana vao hanova fihetsika ary ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.