Actualités

Korontana omaly Maro ireo miaramila tsy nanaraka baiko ?


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Tsikaritra omaly nandritra ireo korontana teny Antanimena, Behoririka, Analakely, Ankadifotsy fa maro ireo miaramila no tsy nanaraka baiko. Vokany sahirana mihitsy ireo mpitarika. Ny tsikaritra dia rehefa tsy eo ireo mpitarika na ireo lehibe dia mijanona ao anatin'irony fiarabe mitondra azy ireo irony ireo miaramila. Rehefa tonga ireo lehibe vao manaparitaka ny olona. « Izahay efa tsy resy lahatra intsony amin'izao fitondrana izao fa asa ilay izy dia tsy maintsy atao. Ny fijoroanay no zava-dehibe fa raha ny hetsika tsy hanao intsony izahay », hoy ny sasany tamin'ireo miaramila. Nisy fiantraikany tamin'ny zava-nisy io tsy fahazotoan'ny miaramila io. Hatramin'ny hariva mantsy dia mbola tsy voafehy ny hetsika nataon'ny firehana telo. Hatreny Ankadifotsy efa maizina mbola nisy ny sakana nataon'ny olona. Hatrany Anosy dia nisy ihany koa izay fanehoana tsy fifaliana izay amin'ny zava-misy ankehitriny. Ambetiten'ny olona tamin'ity hetsika ity ny tsy fahatantesana intsony ny zavatra iainan'ny malagasy amin'izao fotoana. Araka ny fantatra moa dia hihamafy hatrany ity hetsiky ny firehana telo ity amin'ity herinandro ity.

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT