Actualités

Korontana etsy sy eroa Tombontsoa ho an’iza marina ?


  • Talata 06 Novambra 2012

Efa am-bolana maro izao no mandeha be ny resaka fa misy olona ambony, mpanao politika ary manamboninahitra manampy an-dRemenabila.

 Mbola mpandraharaha akaikin’ny fitondrana ihany koa no voatonontonona matetika amin’ny trafika isan-karazany toy ny boaderozy sy ny volamena. Mandeha koa ny resaka fa mbola manampahefana ihany koa no ao ambadiky ny fandefasana mpiasa any Liban sy any amin’ireo tany Arabo. Re indray izao fa toa hoe akaikin’ny fitondrana ihany koa ny ankamaroan’ireo mpitatitra nampisondrotra ho 400 Ariary ny saran-dalana eto an-drenivohitra. Eo amin’ny resaka “kidnapping” dia mbola misy koa ny anarana olona ambony sy mpanao politika voatonontonona.

Tranga mampisavoritaka ny fiarahamonina daholo izany rehetra izany, ary mampitombo hatrany ny tsy filaminana eto amin’ity Madagasikara ity. Noho izany indrindra no mahatonga ny mpandinika fiarahamonina sasany hieritreritra fa sao lahy ka mba paikady natao mba hanakorontanana ny firenena mihitsy no misy eto izao, fa tsy asan-jiolahy tsotra intsony. Rehefa mikorontana mantsy dia tsy misy ny fitoniana, rehefa tsy misy fitoniana dia tsy afaka miverina eto Atoa Marc Ravalomanana, ary mety tsy ho tanteraka mihitsy ny fifidianana. Ka rehefa tsy mbola vita ny fifidianana dia mitatra ihany ny tetezamita. Milaza ny mpitandro filaminana fa efa tena miasa mafy sy manao ny ainy tsy ho zavatra. Hentitra ery ny fitenin’ireo be galona ao amin’ny zandary sy ny polisy ary ny tafika, fa toa vao mainka anefa mirongatra ihany ny asan-jiolahy ary manana basy mahery vaika avokoa izay manafika rehetra fa tsy hoe mitondra antsy be fotsiny.

Efa mba tena nanao ezaka fanaraha-maso ny fivezivezen’ny basy ao aminy marina ve ny foloalindahy sy ny polisy, sa nijanonana ho resabe fotsiny ireny fanambarana natao ireny ? Ary ahoana koa ny momba ilay hoe paikady vaovao hifehezana ny fangatahana fahazoan-dalana hitondra fitaovam-piadiana ho an’ny olon-tsotra ? Tsy mbola misy mpivarotra basy eny amin’ny magazay tahaka ny any Etazonia eto, ka nahoana no miparitaka be ny basy mahery vaika, ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila ihany no tokony manana izany Kalachnikov izany, eto Madagasikara. Ka nahoana, ankehitriny no mitombo isa, isan’andro ireo jiolahy manana izany basy mahery vaika izany ? Misy ny tratra, kanefa dia mbola misy hafa mivoaka foana. Fa inona moa no manakana ny mpitandro filaminana Malagasy, hanao hetsika tena goavana ho fikarohana izay fitaovam-piadiana miafina any ambadimbadika rehetra any, fa tsy avela hanafika ireo jiolahy vao alaina ny basiny ? Raha efa ahiana fa miray petsapetsa amin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana sasany, nahoana no tsy hafainganina ny fanadihadiana dia saziana mafy izay hita fa meloka, fa ny mitranga izao dia toa samy miaro ny namany, mety nanao hadisoana ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy; ka ny hafa foana no lazaina fa mamoron-dainga. Sa kosa tena misy mahazo tombontsoa amin’izao savorovoro isan’andro izao ao ambonimbony ao, ka izay no mampitarazoka ny fandraisana andraikitra ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT