Fa inona no tena marina amin’ny fitsidihan’ireo mpandraharaha koreana tatsimo eto amintsika ? Izay indray izao no fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny praiministra teny Mahazoarivo, sy ny nandrenesana tamin’ny onjampeo tsy mainkina iray, omaly antoandro fa efa manomboka mametraka ireo fitaovana goavana amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany any amin’ny faritr’i Melaky iny ny Koreana Tatsimo sy ny Sinoa amin’izao fotoana.
Ity vaovao farany ity no tena nanaitra ny maro, satria vao tsy ela akory izay no nambara fa hitrandraka ny vy any Soalala ny Sinoa, dia tonga indray izany izao ny Koreana Tatsimo hitrandraka harena ankibon’ny tany hafa any amin’ny faritr’i Melaky. Misy vatosoa toy ny beryla sy kristaly ary varahina any amin’iny faritra iny. Voalaza moa fa tsy ao anatin’ilay antsoina hoe fanadihadiana sy fitsirihana intsony ireto Koreana Tatsimo sy ny Sinoa miaraka aminy ireto fa efa manomboka mametraka ny fitaovana mihitsy. Ny kaominina ambanivohitr’i Belitsaky sy Betanatanana ao anatin’ny distrikan’i Maintirano no voakasika amin’izany fitrandrahana izany. Ny mahatalanjona ny mponina sy any an-toerana dia ny fahasahiana ananan’ireto mpandraharaha «kely maso» ireto, satria tsy nisy mihitsy ny fampahafantarana ny tompon’andraikitra any an-toerana, na olom-boafidy io, na olom-boatendry fa dia tonga dia miroso amin’ny asa avy hatrany ireto vahiny ireto. Rehefa nanotanian’ny mponina tany an-toerana moa ry zareo, araka ny fampitam-baovao ihany, dia nilaza fa efa nahazo alalana avy any ambony, ka anisan’ny voatonontonona tamin’izany ny avy ao amin’ny fiadidiana ny praiministra eny Mahazoarivo. Ny vaovao avy any amin’iny faritr’i Melaky iny ihany no nahafantarana fa efa amam-bolana vistivitsy no nahatongavan’ireto Koreana Tatsimo sy Sinoa hitrandraka harena ankibon’ny tany ireto tany an-toerana. Hita taratra amin’ity tranga ity indray, fa mitady ny fomba rehetra ahitana vola ny FAT.
Vola be tokoa mantsy no miditra amin’ny Fanjakana amin’ireny tetikasa goavana fitrandrahana harena ankibon’ny tany ireny, saingy ny mampanahy ny maro dia ny hoe : ahoana marina ny endri-pifanarahana eo amin’ny Fanjakana malagasy sy ireny orinasa mifanesisesy tonga eto amintsika ireny ? Ny firenena marina ve no mahazo tombontsoa sa ireo manampahefana nahita ny «marché» ? Ary ny tsikaritra dia avy any Azia avokoa izy ireo (Sinoa sy Koreana). Tsy tokony hahagaga ihany anefa izany satria tena henjana ny fifaninanana eo amin’ny tandrefana (Amerikanina sy Eoropeanina) sy ny Aziatika, ary ireto farany dia tsy miraharaha firy loatra izay savorovoro na tsy fitoniana ara-politika ao amin’ilay firenena mifampiraharaha aminy, fa dia izay hahazoany tombontsoa ihany no mahamaika azy ireo. Ny nanintona ny saina ihany koa dia dridran’i Ngilo, araka ny fomba fiteny mihitsy ny fanakianan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy ny fitondrana Ravalomanana momba ilay orinasa Koreana tatsimo Daewoo Corporation, izay saika hanofa tany hambolena katsaka teto amintsika. Ankehitriny anefa dia toa manaiky ny hiara-hiasa amin’ny Koreana Tatsimo ihany ny tetezamita tarihan-dRajoelina ary mbola atahorana lavitra noho ny amin’ny resaka fambolena katsaka aza, ny akony ratsy eo amin’ny tontolo iainana, mety haterak’ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany any amin’ny faritr’i Melaky ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.