Actualités

Koreana tatsimo Hanangana orinasa sy ivontoerana fanofanana ara-teknika ao Toamasina ?


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Fanindroan’ny nahatongavan’ireo Koreana tatsimo tao Toamasina ny dia nataony ny herinandro nivalona iny, izay nisian’ny fihaonana manokana tamin’ny ekipan’ny kaominina sy ny mpanao gazety.

Nandritra izany no nahalalana fa te hanangana ivontoerana fanofanana ara-teknika ao Toamasina ireto Koreana tatsimo avy any Ansan ireto, izay hisian’ny fanofanana avo lenta momba ny haizatra teknika. Mbola mijanona ho faniriana sy finiavana aloha hatreto ity fananganana ivontoerana ity noho ny tentim-bidiny tsy mbola fantatra mazava, fa miankina amin’ny fanadihadiana mbola hatao. Ny resaka fananan-tany koa mbola tsy mazava izay miankina betsaka amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny kaominin’i Toamasina.

Nambaran’Atoa Jung-Dae-Hahm tale jeneralina orinasa iray any Ansan city fa « sekoly fanofanana tena avo lenta be ilay vinavinana ivontoerana fanofanana hantsanganay ity. Ho hita ao avokoa ireo resaka teknika rehetra ilaina amin’ny fampiroboroboana ny resaka indostria sy orinasa goavana ». Nambarany hatrany koa fa « fomba iray nampandroso haingana an’i Korea atsimo izany, ka raha 78 dolara ny harin-karena isan’olona ny taona 60, dia tafakatra 13.000 dolara izany folo taona taorian’izay ka izay no tianay hotratrarina eto aminareo satria tsy hisy fampandrosoana ho tratra raha tsy efa mandroso koa ny resaka teknika izay miantoka ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena moderina ankehitriny ». Nohamafisin’Atoa J.H. Lee fa « sady tsy oniversite, no tsy ho lycée ary tsy Institut ilay ivontoerana hatsangana, fa karazana fanofanana ho an’ny rehetra mihitsy. Ny finiavana hianatra sy hanitatra fahaizana avo lenta tadiavina amin’ny mpandray anjara, izay hatao maimaimpoana ihany koa ka ho hita ao avokoa ireo filana ara-teknika rehetra ilain’ireo indostria sy orinasa goavana indrindra ny resaka fitrandrahana ».

Ho an’ny kaominin’i Toamasina kosa dia eo am-pikarohana ilay tany 6 ha hananganana ny ivontoeraa izy ireo izao, izay heverina fa tsy ho hita raha tsy ao Toamasina II, mbola notazonin’ny kaominina ho tsiambaratelo anefa izany raha nanontaniana ny toerana hananganana ity ivontoerana ity ireo ekipan’ny PDS Rakotovao Mariot. Ankoatra izay, tsy ho tongatonga ho azy izao ho fananganana ivontoerana avo lenta ara-teknika izao, fa tsy maintsy misy ny takalony. Araka ny fantatra dia mikasa ny hanangana orinasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany sy hanangana orinasa fanodinana simenitra ireto Koreana tatsimo tonga tao Toamasina ireto.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT