Norombahan’i Jeannick Espérance, zanak’i Foulpointe ary solontenan’i Toamasina
ny amboara be fivahinianana mankany Orlando Etazonia miampy vatsin-dalana mitentina 5 tapitrisa Ariary tamin’ny famaranana ny fifaninanana Kopi-Kolé 2015. Naka tahaka an’i Black Nadia izy. I Joseph (Koike) kosa no anisan’ny nambabo ny fon’ny mpijery (Coup de Cœur), ary nahazo ny loka fivahinianana mankany Seychelles. Feno hipoka ny «Palais des Sport» omaly. Marihina fa valo mianadahy izy ireo no nanao famaranana ary samy nahazo fanomezana avy amin’ny orinasa orange.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.