Actualités

Komity «Limby» Atsaharo ny hazalambo atao an’i Elimberaza Mandridake


  • Alatsinainy 06 Septambra 2010

Manoloana ny hazalambo ataon’ny mpitandro ny filaminana mba hisamborana an’i Elimberaza Mandridake, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Limby, izay mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversiten’i Toliara, taorian’ny fihetsiketsehana tany an-toerana, dia misy ny fanambarana navoakan’ireo namany sy mpiara-miasa aminy, nivondrona ao anaty komity iray : Komity Limby.

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ny vadin’ity mpampianatra mpikaroka ity, tany Parisy Frantsa izy ireo. Miantso ny tompon’andraikitra ary ity komity nampitondraina ny anarana hoe Limby ity mba hamela an’i Elimberaza Mandridake hivezivezy an-kalalahana ary tsy hisambotra azy, satria araka ny filazan’izy ireo dia fanehoan-kevitra no saika hataony tao Toliara manoloana ny tranga misy amin’ny firenena amin’izao fotoana. Manampy izay dia nahazoana alalana ny fihetsiketsehana, ka nahagaga ihany ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso sy fisamborana ny mpitarika ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filamianana. Ny zoma 27 aogositra moa no nisian’izany fihetsiketsehana izany teo amin’ny place Marimar Toliara. Nifampiresaka sy nizara vaovao tamin’ny vahoka i Elimberaza Mandridake, ary tsy nisy mihitsy ny eritreritra hanakorontana, saingy «ny vaovao nalefan’ny radio Soa Talily no nandrangitra ny olona ka nitarika ny savorovoro».

Nomarihan’ity fanambarana ity anefa fa afaka nanohy ny fandaharany tsara ity onjampeo ity, fa tsy potika tanteraka izany. Ho an-dry zareo mivondrona eo anivon’ny komity Limby dia olona tsotra sy mahay mifandray amin’ny mpiara-monina, tia tanindrazana ary manohitra ny tsy rariny i Elimberaza Mandridake, ary tsy mbola nanana olana tamin’ny manodidina azy, na ny mpiara-miasa aminy mihitsy. Koa manamafy ity komity ity ny tokony hampitsaharana ny fisamborana azy, ary hamoahana ihany koa ireo mpiara-dia aminy nampidirina am-ponja.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT