Ny 8 janoary 2018 izao no handraisan’ny avy eo anivon’ilay komisionina manokana misahana ny fitsinjarana ireo karatra maha matihanina ny mpanao gazety eto Madagasikara ny fangatahan’ireo mpanao gazety maniry hahazo izany.
Ny 5 febroary kosa no fetra farany handraisana izany, raha ny fanazavan’ireo mpikambana ao anatin’ity komisionina ity tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina omaly. Hifarimbona ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, ny holafitry ny mpanao gazety ary ity komisionina ity, hoy ny fanazavana, amin’ny asa fanadiovana ny tontolon’ny fanaovan-gazety eto Madagasikara. Lany ho filohan’ny komisionina moa Atoa Nicolas Rabemananjara , filoha tale jeneralin’ny TV Plus Madagascar, raha toa ka vofidy ho mpitondra teny kosa i Mara Volamiranty Donna; nahazo isam-bato 5 tamin’ireo 6 tonga nifidy izy mianadahy ireto.Hiandraikitra ny fifandraisana amin’ny haino aman-jerim-panjakana kosa I Rocco Rasoanaivo, raha toa ka hisahana ny gazety an-tsoratra i Hery Rakotomalala.Mialohan’ny fandaminana rehetra mikasika ny fandraisana ireo fangatahana, araka izany, dia hitety ireo orinasan-tserasera ireto komisionina ireto. Isan’ny mbola hanaovana fanadihadiana manokana moa ny tena isana mpanao gazety manerana ny nosy satria dia raha 1300 isa ireo voaisa tamin’ny fanisana farany dia mampiahiahy ny 600 isa amin’ireo, raha ny fanazavana. Karatra maha mpanao gazety, hoy ny komisionina, ilay ho zaraina ka noho izany dia tsy hahazo izany ireo tsy mpanao gazety intsony na ny minisitra aza. Fepetra takiana kosa ny hoe niasa 3 taona fara-fahakeliny tao amina gazety iray ary mbola manohy izany ao na manana mari-pahaizana maha mpanao gazety no sady efa manao asa fanaovan-gazety raha te hahazo karatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.