Rehefa nodinihana ny zava-misy dia tsikaritra fa mba misy fampitam-baovao isan-kerinandro ny ampaham-bokatry ny asan'ny komando tarihan'ny kolonely Lylison. Herinandro taorian'ny nahatongavan'izy ireo tany Betroka dia voasambotra i Tokanono ilay hoe mpimasin-dRemenabila.
Ny herinandro faharoa indray dia nambara fa voasambotra ny tanana an-kavanan-dRemenabila. Teo anelanelan'ireo tranga roa ireo dia notaterina fa efa fantatra ny toerana iafenan-dry Remenabila ary efa voahodidin'ny miaramila izy io. Koa amin'ny herinandro fahatelo, dia andrasana indray ny zavatra mety hotantaraina amin'ny asan'ny komando any Betroka sy ny manodidina any. Ho an'ny olon-tsotra nanontaniana ny heviny momba ity raharaha asan-dahalo sy Remenabila ity, dia manomboka tsy matoky ny herin'ny mpitandro filaminana izy ireo, no sady miahiahy fa sao dia sinema mifono ambadika hafa indray ary ity resaka Remenabila ity e ! Nanomboka niparitaka tokoa mantsy ny vaovao fa toa hoe be harena ankibon'ny tany iny faritra manodidina an'i Esira sy Betroka iny, sy ny tapany atsimon'ny nosy rehetra mihitsy. Ny filohan'ny tetezamita rahateo dia efa niaiky fa tsy asan-dahalo tsotra intsony ny any atsimo fa zavatra hafa.
Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe tena hamaha olana marina ary ve ny nandefasana miaramila any atsimo ? Nandaniana vola be ana miliara mantsy ilay izy, ary mbola hividianana helikôptera vaventy sy fitaovam-piadiana any ivelany, hanofana zanabolana hitsongoana dia ny fihetsiky ny omby sy ny dahalo mandroaka azy. Sao dia ny fototry ny olana no tokony hojerena haingana. Anisan'ny fanontaniana tsara valiana ihany koa ny hoe : nahazo fiofanana manoakana tokoa ve ka lasa mahay mitifitra be ireo dahalo, mahavoa mpitandro filaminana eo amin'ny fony sy ny lohany ary ny tendany, sa misy miaramila mihitsy miaraka amin'izy ireo ? Raha te hanampy marina ireo mpikambana CT sy CST, nahoana no tsy mihazakazaka manadihady haingana fa tsy mandany andro amin'ny resaka fanangonam-bola sy fanampiana etsy Anosikely ? Avy eo mety ahitana olana indray ny fitantanana ny vola, na hoe misy manodina ny vary sy ny menaka fanampiana.
Maro be ny fikambanana ara-tsosialy eto, afaka manao izany raha tsy hiteny afa-tsy ny "Fitia" tarihan-dRtoa Mialy Rajoelina fotsiny. Ary ny mahagaga dia, tsy mba mihetsika mitady fanampiana hatramin'izao ny fikambanan'ny terak'iny faritra atsimon'ny Nosy iny, kanefa nanana fotoana nifandroritana momba ny fifidianana izay filoha hitarika ny fikambanana. Efa tahaka ny any Afrika ny faritra maro any atsimo any, ankehitriny noho ny fisian'ireo mpifindra monina, efa tahaka ny any Afrika koa ny fisian'ny tafi-panjakana miady amin'ny jioahy na mpioko mitam-piadiana, any atsimo. Koa noho izany dia ahiana ho
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.