Natomboka omaly zoma 7 jolay ary hifarana ny 30 septambra ho avy izao ilay fampirantiana amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana momba ny kolontsaina sy ny fandriampahalemana karakarain’ny Kis Madagasacar eto amintsika
. Fampirantiana amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana no hatao, araka ny fanazavan-dRajemisa Ialy ka anisan’ny mandray anjara mavitrika ny tranombokim-pirenena izay mampahafantatra ny asany, ny OMDA, ny OMACI, ny OMAPI izay rantsana misy nefa tsy be mpahalala raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fampahafantarana ny asan’ny mpitandro ny filaminana... Ao amin’ny www.culture-paix.kis.mg moa no ahitana izany izay marihina fa hisy fifaninanana momba ny kolontsaina sy ny fandriampahalemana ihany koa izay azon’ny rehetra handraisana anjara tsara. Mpiara-miombon’antoka amin’ny mpikarakara amin’ny fanatanterahana ny hetsika ny minisiteran'ny kolontsaina sy ny vakoka ary ny Fondation Friederich Ebert Stafftung.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.