Navoaka teny Tsiafahy indray dia nentina teo anoloan’ny mpitsara zokiolona (Doyen des juges) omaly ny Lietnŕ-Kolonely Raymond Andrianjafy.
Mazava ho azy fa fanadihadiana ifotony no anton’io fitondrana azy tetsy Anosy io. Tsy nisy nipika ny fanadihadiana tao anatin’izay. Ny hany tsikaritra dia tsy nampanaovina saron-tava ity manamboninahitra ity tamin’ity indray mitoraka ity. Hatreto aloha izany dia mbola vonoan’olona, fihetsiketsehana miaramila mitam-basy tsy nahazoana alalana no niampangana azy miaraka amin’ireo miaramila 22 izay voarohirohy niaraka taminy. Tsy mijanona amin’io isa io ny olona mbola tadiavina satria mitatra hatrany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana ary mitombo ihany koa ny anaran’olona voatonontonona. Anisan’izany ny Komandà iray, zanaka Jeneraly, izay nolazain’ny Emmo-Reg fa manahirana ny misambotra azy. Dia andrasana fotsiny izay hanolorany tena any amin’ ny zandary Fiadanana. Mahalasa saina ihany izany hoe ny sasany atao savahao ary ny sasany kosa tsy sahy samborina noho izy zanaka Jeneraly amperin’asa ary akaiky ny fitondrana tetezamita, izay endrika iray isehoan’ny tsimatimanota amin’ity fitondrana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.