Actualités

Kolonely Ravalomanana Richard Ho hentitra ny Emmo-Far


  • Alarobia 28 Jolay 2010


Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Emmo-Far izay nitafa momba ny Dinika Santatra. “Tsy hisy mihitsy ny fitsitsiana ho an’ireo izay mieritreritra ny hanakorontana ireo fikaonandoha eny anivon’ny distrika ireo. Efa samy mahalala izay tokony hiandry azy izay mieritreritra ny hanohintohina ny dinika santatra. Ary aoka hazava fa tsy misy tsy mahafantatra ny lalàna izany”, hoy ny fanazavan’ny Kolonely Ravalomanana Richard. Samy manana ny andraikiny ny tompon’andraiki-panjakana tsirairay avy ka ny anay dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany ary koa fiahiana ny filaminana anatiny. Koa dia mamerina etoana aho ho an’ireo izay manana eritreritra ny ho tonga hanao fihetsika tsy maotina amin’ireo fotoana ireo, fa tsy handefitra mihitsy ny Emmo-Far, hoy izy. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT