Actualités

Kolonely Lylison de Rene Efa resy Remenabila


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Nanazava misimisy kokoa momba ny asan-dahalo eto madagasikara sy ny raharaha Remenabila any atsimo, omaly alina tao amin’ny RNM ny kolonely Lylison, anisan’ny nitarika ilay andian-tafika manokana tany Betroka.

 Nambarany ary fa heloka bevava ny halatraomby, matetika dia miharo famonoan’olona izy io. Efa hatry ny ela ny halatra omby, hoy ny kolonely Lylison saingy miseho amin’ny endrika hafahafa izy ankehitriny. 

 

Vola be amina miliara

Araka ny tantara , hoy ihany izy , dia mba tao amin’ny  amin’ny foko Bara ny halatraomby, ka dia tahaka ny hoe fanatanjahantena ilay izy, tsy matanjaka ny tovolahy raha maka na mangalatra omby. Tamin’ny taona 40, raha vao misy olona maratra dia tsy alain’ireo tovolahy ny omby satria efa nisy ra latsaka, niova anefa ilay izy ankehitriny, satria aman’arivony ny omby very ary 200 ka hatramin’ny 400 ny dahalo manafika. Araka ny fanazavany ihany , taloha hanina ao an-trano ny omby, avy eo lasa entam-barotra, arakaraka ny filana, avy eo lasa aondrana any ivelany. Ny dahalo tsy mangalatra omby, raha tsy efa vonona haka ny omby, ny patron be , tsy ompiana io fa amidy, ary mila diovina ny taratasy, ka eo no miditra an-tsehatra ny delege sy ny veterinera, misy koa avy eo ny mpanao politika sy manampahefana miaro ireo olona rehetra ireo, hoy ihany ny kolonely Lylison . Ny halatra omby no anisan’ny afera mampiditra vola amina miliara eto amintsika, hatramin’izay ka hatramin’izao ary misy ny antoko mivelona amin’ny vola be azo avy amin’izany.  
 

Tsy nampoizina 

Vao miditra manadihady na mandray fepetra amin’io halatra omby io ny mpitsara sy ny mpitandro filaminana, hoy ny kolonely Lylison dia tonga ny sakantsakana sy ny tsindry bokatra etsy sy eroa, miasa koa ny vola be mba hanakanana ny hivoahan’ny tena marina. Voafehy foana hatramin’izay ny asan-dahalo, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nampoizina ny fitaovam-piadiana teo am-pelatanan’ireo dahalo sy ny isany.Nisy ohatra ny hoe dahalo 95 no nanafika tanana iray, kanefa tsy nisy afa-tsy 4 ny zandary tao. Taorian’ny nametrahana ny andian-tafika manokana tany Betroka dia mazava izao fa efa tena resy tanteraka i Remenabila , na dia mbola tsy voasambotra aza. Befotaka, Andranovory (Amboasary atsimo)  Betroka . Miaraka miainga izy ireo rehefa manafika, any ho any amin’ny 200 lahy any no mitondra basy . 
 

Efa tena reraka fa voatifitra

Vao napetraka tany Betroka ny andian-tafika manokana dia tsy sahy nanao rodobe nanafika intsony ry Remenabila satria fantany ny herin’ireo miaramila. Efa nifampitifitra tao Andranovory ny miaramila sy ry Remenabila, voatifitra teo amin’ny tongony sy ny valahany i Remenabila. Nisy mpiara-migadra tamin’i Remenabila nalaina natao “guide” ka nanoro ny toerana fieren’i Remenabila, teo no nahitana ilay lava-bato nisy ny lambamena an’ity farany sy ny basin’ilay zandary iray novonoin’ny dahalo. Reraka ary efa tsy afaka mankaiza firy intsony i Remenabila, araka ny fanambaran’ny kolonely Lylison omaly alina.. Mandritra ny tsena no mihaona sy mikaon-doha, ka mandamina ny asa fangalarana.omby ho ataony ny dahalo, efa misy ny mpanoro ny lalana sy ny trano ary ny tompon’omby, arakaraka ny fitaovam-piadiana nentina sy ny asa natao no hidampizaran’ny dahalo ny omby, hoy ihany ny fanazavana.
 
Efa fantatra ireo dahalo saingy tsy afaka manao ny asany araka  ny tokony ho izy ny mppitandro filaminana satria indraindray sakana ny lalana eto amintsika,  misy koa ny tsindry bokatra ataon’ny mpanao politika sy ny mpitondra sasany. Nilaza ny kolonely Lylison fa toby na tanana famaharan’ny dahalo no nodoran’ny miaramila fa tsy tanana nipetrahana sivily tsotra izany. Mbola nanizingizina ihany koa ity manamboninahitra ity fa nisy olona tany atsimo nijoro vavolombelona ary nilaza fa ny fananganana ilay valabe nataon’ny fitondrana teo aloha no nampirongatra tampoka ny asan-dahalo ka nahatonga ny raharaha Remenabila. Tsy asa mora ny famongorana ny asan-dahalo fa maharitra , ary tena mila mandray andraikitra ny fanjakana, tsy maintsy manaja ny lalana anefa izany rehetra izany. Tsy nisy vono moka na genocide izany tany atsimo, hoy ity manamboninahitra ity fa fifamonoan’ny dahalo sy ny sivily tany Amboasary atsimo no sary aparitaka etsy sy eroa ireny fa tsy dahalo na sivily novonoin’ny miaramila izany. Nanamarika moa ny kolonely Lylison fa ny Amerikana aza 9 taona vao nahita an’i Ben Laden kanefa manana ny fitaovana faran’izay raitra sy moderina indindra eto ambonin’ny tany. 
 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT