Actualités

Kolonely Coutiti Rapa tanteraka any Tsiafahy


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010


Iray amin’ireo manamboninahitra mpikambana tao amin’ny Komity Miaramila ho Fanavotam-pirenena ny Kolonely Coutiti Assolant. Voasambotra nitolo-batana ( ?) izy tamin’iny raharaha BANI Ivato iny ary nalefa avy hatrany any Tsiafahy, tsy nandalo fanadihadiana. Hatry ny omaly dia velon-taraina ireo namany sy ny olona akaiky azy rehetra amin’ny vono natao ity kolonely nanana ny lazany tamin’ny 2001 ity. Araka ny fitantaran’ireo akaiky azy dia maty daroka ny Kolonely Coutiti hatreny Ivato, ka hatrany Tsiafahy. Teo Ankadilalana no nisy nahita maso, araka ny nambaran-dRtoa Baovola Ramahazomanana, adzida iray nidaroka vodibasy tsy nisy antra ny ila havia ka nahavoa ny valanoranon’ity kolonely ity. Voalazan’ireto olona akaiky ity farany hatrany fa dia voa mafy tokoa ity Kolonely ity. Tsy izy irery ihany no tratr’io fampijaliana io, hoy ihany ny havan’ireo manamboninahitra ireto, fa ireo rehetra nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy. Araka ny fantatra dia nanatitra sakafo sy fitafiana tany Tsiafahy ny havan’ireo manamboninahitra kolonely sy jeneraly any, saingy tsy nahazo nifanatri-tava tamin’izy ireo. Ny akanjo nisoloan’izy ireo no voalaza fa nisy ra.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT