Actualités

Kolikoly tsy hita pesimpesenina Ho avy amin-dRajao ny mafaitra


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Voizina sy hamavoina ho fanonganam-panjakana hatrany ny tolon’ny depioten’ny fanovana, izay tsy mivaona amin’ny lalàmpanorenana hatreto.

Nambaran’ny filoha tany amin’ny haino aman-jery vahiny RFI fa an-tapitrisany ny olona nifidy azy. Mialokaloka amin’ny hoe tsy azo henjehina ny filoha ao anatin’ny fanapahan-kevitra mety horaisiny na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe: “Irresponsabilité pénale”. Tsy mbola natsangany hatramin’izao rahateo ny “Haute Cour de Justice” na ny HCJ hahafahana mitsara azy kanefa herintaona taorian’ny fianianany raha tara indrindra no tokony hananganana azy io, raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Hafa mihitsy ny resaka kolikoly fa tsy misy hidiran’ny zo tsy azo henjehina. Ady amin’io rahateo no niantombohan’ny tolona teny Tsimbazaza hoe “Aok’izay ny kolikoly”. Manomboka mazava amin’izao fotoana fa toa ny filoha mihitsy no manaiky ny kolikoly tamin’ireny raharaha kolikoly nanambazana vola ny depiote nandany ny lalàm-pifidianana ireny. Mandeha ny resaka fa vola tany amina minisitera isan-tsokajiny no notaomina, izay andrasana ny fanamarinana momba izany. Raha izay tokoa no izy dia volam-panjakana fa tsy volan-dRajaonarimampianina no nanaovana kolikoly. Fa iza loatra ny filoha Malagasy no ho afa-bela amin’izao raharaha izao ? Raha tsiahivina, resaka kolikoly no nionganan’ny filoha Koreanina Tatsimo Park Guen-Hye, ary niafara tamin’ny fanagadrana satria sokajiana ho famadihana tanindrazana. Ireny aza mpanefoefo sy manana petra-bola be ao amin’ny orinasa Samsung tsy afa-bela. Raha mihevitra ny hanao Revolisionina tokoa isika dia mety ho anatra ho an’izay mpitondra ho avy eo ny fanadihadiana lalina atao amin’ny filoha ankehitriny sy ny mety hisian’ny sazy henjana ho azy. Ny tatsy Afrika Atsimo ihany koa dia resaka kolikoly no nampiongana ny filoha teo aloha Jacob Zuma. Ho afa-bela ve ny filoha Malagasy sa mba hipaka hatrany aminy sy ireo manodidina azy ny fanadihadian’ny Bianco ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT