Actualités

Kolikoly sy fanamparam-pahefana Mitaraina mafy ihany koa ny any amin’ny faritra


  • Alarobia 02 Septambra 2015

Mitaraina mafy ihany koa ireo mponina any amin’ny faritra mikasika ny kolikoly sy fanamparam-pahefana izay efa mahazo vahana tanteraka eto amintsika.

 

 Ankoatra ny resaka ady tany izay tena ahitana taratra izany amin’ny ankapobeny dia voakasika ihany koa ny sehatra hafa izay tena mampikolay ny maro tokoa. Nisongadina io nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana HAFARI Malagasy tany amin’ny faritra, hoy ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nanomboka ny tapaky ny volana aogositra lasa teo no nitety faritra ny fikambanana narahin’ny fananganana ny birao nasionaliny raha tsiahivina. Ny hitaomana ny tsirairay mba handray andraikitra no tanjonay, hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina hahafahana mijery ifotony ny olana sedrain’ny vahoaka. Betsaka mantsy ireo tena mijaly hoy izy, fitsidiham-paritra izay mbola hitohy any Ambatondrazaka, Brickaville, Toamasina, Vatomandry … Na izany aza anefa dia asa  mbola miandry ny fikambanana eto an-toerana amin’izao ny famoahana ireo mpianatra miisa 150 nanaraka fiofanana manokana momba ny fifehezana ny teny Anglisy ao amin’ny centre d’éducation etsy Anosizato.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT