Tafapetraka omaly teny amin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao ny fitoriana avy amin’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena (CRN) tarihan’i Tabera Randriamanantsoa.
Manahy trangana kolikoly avo lenta tamin’ny famarotana ny tany misy ny « villa Elizabeth » sy ny famarotana tany etsy sy eroa ataon’ny fanjakana izy ireo. Tanim-panjakana miisa 5 be izao no tsy mazava intsony ny momba azy fa ao ireo efa lafo ary ao ireo an-dalana ho amin’izany. Ny Villa Elizabeth Ivandry, ny minisiteran’ny asa vaventy teo aloha eny an-toerana ihany koa, izay efa lasa Hotely, hoy ity filoha ity, ny Nosy Ampisikina ao Vohemar, ny torapasik’i Toliara ary ny trano fonenan’ny praiminisitra teo aloha, Pierrot Rajaonarivelo, eny Mamory Ivato moa ireo hangatahana fanadihadiana ireo. Noraisin’ny Bianco an-tanan-droa, hoy ny CRN, ny fangatahanay ary fantatray fa tia tanindrazana avokoa ny tale jeneralin’ity rafitra ity sy ny mpiara-miasa aminy ary hiara-hiasa akaiky izahay manomboka izao. Amin’ny herinandro dia efa hanomboka ny fanadihadiana ny Bianco, hoy ny fanazavana, ary manentana ny vahoaka hanao rodobe hiaro ny taniny fa tsy hanan-tany intsony isika afaka 5 taona raha izao no mitohy.Feno ny fepetra ilazana fa misy ny famadihana tanindrazana sy famarotana tanindrazana ka mitory ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ny CRN tarihan’i Tabera Randriamanantsoa izay anisan’ireo olona tena akaiky ny Pr Zafy Albert fony fahavelony. Manantena ny Bianco hanadihady tsara io raharaha io izahay, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Zava-doza ny famarotana tanindrazana ary vao miha ratsy raha tafiditra ao anatin’ny kolikoly ny manampahefana sasany eto amin’ny firenena. Milaza ny tsy hihemotra amin’ity zavatra ataony ity ny CRN mba hipoiran’ny marina sy ny rariny izay zavatra tena nanan-danja tokoa tamin’ny Pr Zafy Albert, hoy izy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.