Actualités

Kolikoly Mihamahazo laka tao anatin’izao krizy izao


  • Alarobia 27 Oktobra 2010

Vao mainka mihamahazo laka ny kolikoly eto Madagasikara hatramin’izay nisian’ny krizy politika sy ny fitondrana FAT izay.

Raha ny tatitra navoakan’ny Transparency international momba ny mari-pandrefesana momba ny kolikoly (Indice de perception de la corruption) taona 2010 mantsy dia mihemotra ny laharana misy an’i Madagasikara eo anivon’izao tontolo izao satria laharana faha-123 no misy antsika amin’ny firenena 178. Raha 3.0/10 no isa azontsika tamin’ny lisitra nivoaka tamin’ny taon-dasa dia lasa 2.6 /10 izany araka ity tatitra ity. Ny fanadihadiana momba ny kolikoly notontosain’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena maro sy ireo banky vahiny mpamatsy vola teo anelanelan’ny janoary 2009 ka hatramin’ny septambra 2010 no namoahana io antontanisa io. Marihina fa ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitondram-panjakana sy ny politika ankapobeny no anaovana fanadihadiana rehefa hamolavola ny «indice de perception de la corruption».

«Efa tena zava-dehibe izany fihemorana 0.4% izany ao anatin’ny herintaona. Na dia tsy miditra lalina amin’ireo antony mahatonga ny kolikoly aza ny Transparency International dia tsy azo lavina fa anisan’ny nampiroborobo ity fahalovana ity ny korontana diavin’ny firenena ankehitriny» raha ny fanazavan’Atoa Rakotomalala Dominique, filohan’ny transparency international, Initiative Madagascar. Notsoriny koa anefa fa misy akony maneran-tany ny fisian’ireo raharaha maloto maro toy ny fandripahana sy famoahana an-tsokosoko ny andramena. Tsy azo tsinontsinoavina koa ny tatitry ny sampandraharaha misahana ny tolobaro-panjakana izay manabaribary ny tsy fisian’ny mangaragaraha amin’ny resaka tsenam-barotra miampy ny tatitry ny Bianco taona 2009 sy ny enim-bolana voalohany taona 2010.

Mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fampiasam-bola eto amin’ny firenana izao tatitra izao satria mety hampihemotra ireo vahiny tompom-bola, madio fiasa, maniry hanatontosa tetikasa eto raha ny fanazavan’Atoa Rakotomalala Dominique ihany. Nomarihiny koa fa anisan’ireo masontsivana jeren’ireo sampandraharaha iraisam-pirenena koa ny “Indice de perception de la corruption” ankoatra ny fitomboan’ny harinkarena faobe sy ny fiantraikan’ny fampandrosoana isam-batan’olona. Marihina fa ny 2/3-n’ny firenena miisa 178 dia manana isa latsaky ny 5 avokoa izay mahatonga ny transparency international hanainga ireo governemanta hampihatra araka ny tokony ho izy ny fifanarahana manafoana ny kolikoly. Danemark, Nouvelle Zelande ary Singapour no manana isa tsara indrindra 9.3 raha i Afghanistan sy Somalie izay samy tany miady no gisitra indrindra izany hoe tena anjakan’ny kolikoly tanteraka.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT