Nambaran’ny filohan'ny Repoblika nandritra ny fandaharana “Fotoam-bita” farany fa manimba firenena ny endrika kolikoly rehetra, ka iray amin’ireo tena mamotika ny ao amin'ny fitsarana.
Mety hitarika any amin’ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, toy ny fitsaram-bahoaka rehefa tsy mahatoky ny mpitsara ny olom-pirenena. Ny rehetra dia mahalala tsara ny antony hoe misy sasantsasany amin’ny ray aman-dreny no mandoa volabe mba hanafahana ny zanany amin’ny fanadinana, izay tsy mora na fombafomba fotsiny, hoy ny Komity momba ny fiarovana ny zon’olombelona dia ny CNIDH. Mihena sy zara raha misy sisa ny toerana ho an’ny mpifaninana mendrika sy mahay, rehefa mitombo isa sy mahazo laka ireo mpifaninana arovan’ny olona ambony. Rehefa mivoaka amin’ny fianarana dia misy ireo mpitsara mirehareha amin’ny tena fahaizany ary mendrika, ary eo ihany koa ireo mampiahiahy ny fahaiza-manaony. Rehefa mandeha ny asa dia hamerina ny vola nanaovana kolikoly nidirana tao no mahamaika. Ny CNIDH dia mangataka ny hanafoanana ny fanadinana hidirana ao amin’ny ENMG amin'izao fotoana izao raha toa ka voaporofo ny ahiahy amin'ny kolikoly, ary ireo tompon'andraikitra, ahitana olona ambony tompon’antoka amin’ny fanafahana tsy ara-drariny ny kandida na iza na iza dia mila saziana, ary ampahafantarina ny vahoaka ny fanasazizana. Manohana ny ezaky ny Bianco amin’ny ady amin’ny kolikoly hidirana amin’ireny sekoly ambony momba ny asam-panjakana ireny ny CNIDH, indrindra fa ny ao amin’ny ENMG. Hahafahana mamerina amin'ny laoniny ny fahatokisan'ny olom-pirenena ny fitsarana sy ny tany tan-dalàna izany. Ny tompon’andraikitra ambony indrindra ao amin’ny fitsarana anefa ankehitriny no voatonona ho nanao kolikoly, izay vao mainka manome endrika ratsy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.