Actualités

Kolikoly Be politika ny Bianco


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Manarakaraka ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ahitana ny Faritra, Distrika ary Kaominina dia be mpitaraina noho ny resaka kolikoly ny zandary sy ny sehatry ny fampianarana ary ny fananantany.

 Izy ireo hatrany hatrizay no efa nitana ny laharana voalohany ary mbola mitazona izany hatramin’izao. Raha tamin’ity taona ity izao dia fitarainana miisa 131 amin’ny 739 voarain’ny Bianco dia mahakasika ny zandary avokoa.75 kosa ny momba ny fampianarana ary 68 ny fananantany. Amin’ireo raharaha rehetra voarain’ny Bianco dia olona niisa 157 no nosamborina ka ny 45 naiditra am-ponja vonjimaika raha nomena fahafahana vonjimaika ny ambiny. Toa manamarina ny resaka mandeha ny fisian’ny dahalo ambony latabatra ireo tarehimarika teo ambony.

Firifiry rahateo ny mponina sy ny parlemantera ao anatin’izao tetezamita izao no mitaraina noho ny fakana vola ataon’ny dahalo any amin’ny faritra atsimo any. Iza koa no tsy mahalala ny fampandoavam-bola ankolaka ataon’ny mpiasan’ny fananantany ka ilazany fa tsy hita ny dosie raha tsy manome vola. Ny Bianco indray dia midedaka ery manome tatitry ny asa vita nefa ireo raharaha mafana rehetra nampiriminy anaty vata sarihana fotsiny. Hatramin’izao dia tsy misy tohiny ny fitoriana napetraky ny profesora Zafy Albert momba ny “bois de rose” izay niampangany olona miisa 12 ao anatin’izao fitondrana izao.  

 
Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT