Actualités

Kolikoly Be mpitory ny mpiasan’ny Fitsarana


  • Zoma 22 Oktobra 2010


Ivontoerana manampy ireo olona niharan’ny kolikoly na koa nahare sy nahita tranga kolikoly amin’ny fandrafetana ny fitoriana eny anivon’ny Bianco sy ny fitsarana ny CAJAC «Centre d’Assistance Juridique et d’Action Citoyenne» eny Antsakaviro. Omaly no nisokafany tamin’ny fomba ofisialy saingy ny 09 aogositra teo izy no efa nandray ireo mpitady fanampiana. «Raha voamarina ny fisian’ny kolikoly dia manampy amin’ny fandrafetana ny fitoriana izahay ary miandry ny tatitra avy any amin’ny Bianco. Manan-danja kokoa ilay fitoriana rehefa nandalo teto amin’ny CAJAC», hoy Rtoa Rakotondrasoa Landy, mpanolotsaina momba ny resaka lalàna eo anivon’ny CAJAC. Tsy manao fanadihadiana kosa anefa ity rafitra ity fa anjaran’ny Bianco na ny fitsarana raha ny fanamarihan’ity tomponandraikitra ity ihany. Maimaimpoana ny fanatonana ny CAJAC sy ny fanampiana ataony ary voahaja koa ny tsiambaratelo.

Fitarainana miisa 95 no voarainy tao anatin’izay telo volana izay ka ny 15 amin’ireo no mahakasika resaka kolikoly ary ny 3 amin’ireto farany kosa no mitombina ny fitoriana. Herinandro izay no nandefasana ny antotan-taratasy fitoriana any amin’ny Bianco ka tsy mbola naharaisana tohiny. Ny mpiasan’ny fitsarana, ny fananantany, ny zandary ary polisy no be mpametraka fitarainana indrindra, hoy hatrany Rtoa Rakotondrasoa Landy. Mbola eto an-drenivohitra ihany no misy CAJAC amin’izao fotoana izay azo antsoina amin’ny laharan-tariby 020.22.653.57. Mikasa hanatontosa fidinana ifotony mandritra ny 2 na 3 andro amin’ireo toerana be mpitaraina kosa anefa ny tomponandraikitra ato ho ato hanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena. Telo taona ny faharetan’ny CAJAC izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola.
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT