Voatonona ao anatin’ny raharaha kolikoly mahasaringotra ny praiminisitra Israelianina Benyamin Netanyahou ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina, araka ny vaovao navoakan’ny Gazety Israelianina iray antsoina hoe “Le Temps”, nivoaka ny 6 aogositra lasa teo.
Voalaza fa henjehina amina resaka kolikoly sy fanaparam-pahefana maro io praiminisitra io, ka nifanaraka tamin’ny fitondram-pajakana Israelianina ny Tale kabinetran’ity praiminisitra ity teo aloha, Ari Harrow fa vonona ny hijoro vavolombelona. Isan’ny raharaha goavana ny an’ny orinasa Israelianina misehatra amin’ny teknolojia avo lenta iray sy ny orinasa antsoina hoe H3 Global. Voalaza fa efa nandoa volabe 35 000 Euros tamin’ny H3 Global, izay an’i Ari Harrow io orinasa io mba hikarakaran’ity farany fihaonana manokana teo amin’ny filoha Malagasy Hery Rajaonarimampianina sy ny Praiminisitra Israelianina Benyamin Netanyahou ny volana jona 2014, ka nisy tokoa io fihaonana io. Ny olana anefa dia tsy tokony nanana andraikitra tao na mivantana na an –kolaka intsony ingahy Ari Harrow satria efa manana andraikitra politika amin’ny maha talen’ny kabinetran’ny praiminisitra azy. Tsy atao mahagaga raha nenjehan’ny fitsarana Israelianina izy ary izao tapa-kevitry ny hamoaka tsiambaratelo momba ny praiminisitra izao aty aoriana mba hanavotany ny tenany. Voafaritry ny làlampanorenan’izy ireo kosa anefa fa ny fanjakana no miaro azy raha manambara ny marina amin’ny fitsarana sy ny polisy satria lasa vavolombelom-panjakana izy amin’izany, ary tsy hohenjehina.
Fihaonana hafahafa
Voalaza fa hanaovana fanadihadiana lalina kosa ny mikasika ny dian’ny filoha Malagasy tany Israely ny taona 2014 sy ny tena tao ambadiky ny fihaonana, ka re fa isan’ny tao ambadiky ny fikarakarana izany ny orinasa antsoina hoe “NIP”. Raha ny resaka mandeha, dia io orinasa io no nifanaraka tamin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny resaka fanamboarana karatra fahazoan-dàlana monina eto Madagasikara, fahazoan-dalàna mamily ho biometrika,… izay voalaza fa tamin’ny miliara maro ny fifanarahana. Hampitombo hatrany ny fahafaham-baraka sy ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ity tranga iray ity raha toa ka voaporofo fa tafiditra amina raharahana kolikoly ny filoha Hery Rajaonarimampianina.Andrasana ihany koa izay mety ho fanazavany ny tena zava-misy marina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.