Nidoboka am-ponja vonjimaika nanomboka omaly alarobia 21 martsa hariva ny minisitra teo aloha tamin’ny andron’ny praiminisitra Kolo Roger, izay nitazona ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola Razafindravonona Jean, taorian’ny fakana am-bavany azy teny amin’ny fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly teny 67 Ha, omaly.
Tafiditra tamina raharaha fanaparam-pahefana sy kolikoly goavana niaraka tamina an’i Claudine Razaimamonjy ny tenany, ka nisy ny fanadihadiana lalina nataon’ny Bianco azy. Nivoaka ny didy vonjimaika mampiditra am-ponja azy taorian’ny fakana am-bavany, ka noho ny grevin’ny mpandraharaha ny fonja dia ao amin’ny “Violon” ao amin’ny Bianco no nitazonana azy nanomboka omaly. Ankoatra izay, nalaina am-bavany teny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny kolikoly ihany koa i Claudine Razaimamonjy ny talata 20 martsa lasa teo noho ny resaka fanodinkodinana volam-panjakana, firaisana tsikombakomba, ary ny hosoka sy fampiasana hosoka,… Tafiditra ao anatin’izany tranga izany ny fanodinkodinana volabe manodidina ny 500 tapitrisa ariary mikasika fandovana faktiora hosoka mifandraika amina fanavaozana fotodrafitrasa teny Antanetibe tamin’ny anaran’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra. Ankoatra an-dRazafindravonona Jean, dia tafiditra anatin’ny raharaha ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny fitantanam-bola, dia mpitam-bola iray sy mpandraharaha ara-toekarena miisa roa. Nanamafy sy toa manao tsindrom-paingotra hatrany ny Bianco fa efa maro ny dosie nanaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha kolikoly isan-karazany. Efa ho herintaona amin’ny 7 aprily izao no namoahana didy famonjana vonjimaika, saingy mandrak’androany tsy misy ny tena fitsarana sy didy raikitra. Efa dosie misavovona no heverina fa tonga eny am-pelatanan’ny fitsarana, kanefa mitarazoka ny raharaha. Hatramin’ny 7 aprily 2018 izao no fe-potoana hahafahana mitazona am-ponja vonjimaika azy, ka na havotsotra izy na halavaina indray io fe-potoana io. Andrasana hoe ho avy amin’izay ve ny tena fanenjehana matoa tonga hatramin’ny didy famonjana vonjimaika ny minisitra teo aloha voarohirohy sa mbola ny omaly tsy miova ihany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.