Actualités

Kolikoly avo lenta ao amin’ny fitsarana Miantso ny CSM hanadihady ny SMM


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Tsy mbola milamina ny raharaha Houcine Arfa sy ny ampamoaka isan-karazany nataony. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra aloha hoe marina ny nambarany sa diso ? Torak’izany koa ny nolazain’ireo manampahefana Malagasy voatonontonona, ka ny fanadihadiana lalina ihany no hamaritra ny tena marina.

Voatonona tao anatin’ny raharaha ny minisitry ny fitsarana Malagasy, izay nambaran’io vazaha tokony higadra 3 taona eto amintsika io, fa nomeny 70 000 Euros ho saran’ny fanafahana azy. Torak’izany ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna, izay nambaran’io vazaha io fa nandray 30 000 Euros, kanefa samy nandiso izany avokoa ny roa tonta. Mangataka fanadihadiana lalina ataon’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM ny eo anivon’ny Sendikan’ny mpitsara na ny SMM, mba hivoahan’ny tena marina momba ity ahiahina kolikoly avo lenta mahakasika olona ambony eo amin’ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara ity. Mbola mpitsara am-perinasa rahateo ny minisitra Rasolo Elise Alexandrine, izay efa nangatahan’ny SMM ny fametraham-pialany mba hahafahan’ny fanadihadiana malalaka handeha sy tsy hisian’ny fitanilana na ilay antsoina hoe: “terrain neutre”. Torak’izany ihany koa ny tonia mpampanoa lalàna Razafimelisoa Odette Balsama. Re ihany koa fa misy olona hafa mbola tafiditra sy ahiahiana ao anatin’ny raharaha. Efa mandeha ny fanadihadian’ny Bianco ary andrasana ny an’ny CSM, ka raha tena tafiditra ao anatin’ny raharaha maloto tokoa ireo mpitsara, dia voaroaka sy migadra raha tena ampiharina ny lalàna. Ny minisitra Rasolo Elise Alexandrine anefa dia efa nivaky fa mahatoky azy ny filoha sy ny praiminisitra. Ny filoham-pirenena no filohan’ny CSM, ka tsy hohenoina izany ve ny fangatahan’ny SMM ? Toa lasa any amin’ny lafiny politika ny raharaha, raha toa ka resaka teknika sy fanadihadiana lalina tsy misy fitanilana no tokony atao.

Toky R                                                                                 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT