Misokatra amin’ny fomba ofisialy amin’ity alatsinainy ity any Addis Abeba- Etiopia ny fivoriana an-tampony faha-30 an’ny vondrona Afrikanina.
Manatrika izany any an-toerana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Henri Rabary Njaka. Ady amin’ny kolikoly. “Lalana mitondra an’i Afrika mankany amin’ny fampandrosoana maharitra” no lohahevitra amin’ity taona ity. Mitarika ny asam-baomiera sy ny adihevitra momba izany ny filohan’i Rwanda Paul Kagame izay efa nitarika ihany koa ny asam-baomiera momba ny fanatsarana ny rafi-pitantanana sy ny fitantanana ny vola eo anivon’ny vondrona Afrikanina. Areti-mandoza ho an’ny kaontinanta Afrikanina ity resaka kolikoly ity satria nambaran’i Moussa Faki Mahamat, filohan’ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina fa vola 50 miliara dolara isan-taona eto Afrika no mihodina noho io resaka kolikoly io. Volabe tokoa izay tena ampy hampandrosoana firenena maro aty Afrika kanefa dia any am-paosin’olom-bitsy sy mandeha any amin’ny lalan-kafa tsy mitondra tombony azo tsapain-tanana ho an’ny afrikanina. Anisan’ireo firenena tena hanjakan’ny kolikoly i Madagasikara ary misy izany ny rafitra sy ny sehatr’asa eto na miankina amin’ny fanjakana io na tsy miankina. Voatonontonona hatramin’ny mpitondra ambony mihitsy aza, tranga iray izay mbola mahatonga ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tsy mazoto mampiasa vola be eto Madagasikara. Efa manana ny Bianco sy ny Samifin hiady amin’ny kolikoly sy ny famatsiam-bola ihany isika saingy tsy maharesy lahatra ny maro ny zava-bita hatreto. Miasa ao anatin’ny teritery mantsy ireto sampandraharaha roa ireto. Mampiahiahy koa ny fitsarana eto ka mijanona eo amin’ny sehatry ny fanadihadiana fotsiny matetika ny trangana kolikoly na olona 1 sy 2 no miditra am-ponja vonjimaika dia tsy hita intsony izay tohiny. Horesahana mandritra ity fihaonana an-tampony faha-30 any Addis Abeba ity ihany koa ny tsenabe iombonan’i Afrika izay manana mpanjifa manodidina ny 1,3 miliara amin’izao fotoana, izany hoe tena tsena matanjaka tokoa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.