Niafara tamin’ny fametraham-pialan’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) Fandriana, Andriatsimandravalazasoa Tomboniaina,
ny fahitana trangana kolikoly tamin’ny fandrafetana ny lisitr’ireo mpampianatra FRAM horaisina mpiasam-panjakana andiany faha-4 ho an’ity taom-pianarana 2016-2017 ity. Ny alarobia 15 febroary 2017 no nampahafantarany izany ireo mpiara-miasa sy ny lehibeny. Manana anjara mpampianatra miisa 87 ny Cisco Fandriana amin’io andiany faha-4 io. Ny 19 janoary 2017 no natao ny fandiovana ny lisitra ary novakiana ampahibemaso ho ren’ireo nanatrika izany rehefa vita. Ora roa monja taorian’io anefa dia efa nivoaka ny feo fa nisy nanova ny lisitra, tsy arakaraka ilay vao novakiana ren’ny rehetra. Voaporofo izany nony nivoaka ny peta-drindrina teo amin’ny biraon’ny Cisco ny 20 janoary 2017. Anarana mpampianatra FRAM miisa telo no nisy nanova. Niteraka resabe tao Fandriana io raharaha io. Nidina tany an-toerana ny solontenan’ny minisitera sy ny avy amin’ny foibem-paritry ny fanabeazana Amoron’i Mania taorian’ny fitarainan’ireo lasibatra sy ny fiparitahan’ny vaovao. Tsikaritra tamin’izay ny fisian’ny kolikoly. Naverina amin’ny laoniny araka izay vita sy natrehin’ny besinimaro ny 19 janoary 2017 ny lisitra vao niravona ny disadisa.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.