Antony iray mampitsoaka an-daharana ny mpianatra ny areti-nify amin’izao fiandohan’ny ririnina izao ankoatra ny tsy fahampian-tsakafo antony nanosika an’i Manampisoatoavina Mitahirifahendrena, talen’ny kolejy Ampinga d’or etsy Tanjombe Ambohimanarina hanala nify maimaimpoana ireo mpianatra miisa 100 tao aminy izay hampianarina maimaimpoana avokoa.
Dokotera miisa efatra no indray niara-nisalahy tamin’izany. Mba hahazoana vokatra mahomby amin’ny fampianarana no tanjona. Am-polony maro mantsy ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ao amin’ity sekoly ity ho an’ny kolejy Ampinga d’or ankoatra ireo 30 amin’ny 390 isa izay niala mihitsy noho ny tsy fahasalamana mianjady aminy sy ny tsy fahampian-tsakafo. Ezaky ny talen-tsekoly manaraka moa ny hanokatra lycée vaovao hahafahana mandray maimaimpoana ireo mpianatra afa-panadinana BEPC amin’io taona ho avy io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.