Tsy misy izay tsy mitaraina ny amin’ny fiakaran’ny kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro amin’izao ny rehetra. Ankoatra ny vary izay efa tafakatra 500 Ar ny iray kapoaka dia anisan’ny nampitaraina ny maro tato ho ato ny fiakaran’ny vidin’ny savony sy ny sira.
Ho an’ity farany manokana dia tsy misy intsony ilay sira vovony amin’ny sachet 100 Ar teo aloha noho ny fiakaran’ny vidiny ho 150 Ar. Toraka izany koa ny savony. Tsy misy intsony ilay 200 Ar sy 250 Ar teo aloha fa lasa 350 Ar na 400 Ar avokoa. Antony raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra nanaovanay ny fanadihadiana dia ny any am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidin’entana. Vokany, tsy vitsy amin’ireo fianakaviana no lasa mihafy tanteraka. Tsy manasa lamba isan’andro intsony na dia misy zazakely aza fa lasa indray mandeha isan-kerinandro sisa. Ny vary moa dia voatery nahena mihitsy ny fatrany ka ny haninkotrana no hamenoana azy. Hita taratra mihitsy izany raha araka ny fanazavan’ny mpivaro-bary iray sendra anay. Raha nahalany vary tapa-gony isan’andro mantsy izy ireo teo aloha dia lasa ampahatelony sisa izany amin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.