Actualités

Kohen Rivolala Migadra ao Miandrivazo, hosolaina ny lohany


  • Zoma 27 Novambra 2015

Misahotaka ny mponina ao Miandrivazo. Tovovavy am-polony, mpianatry ny masera ny ankamaroany, no nifandimby nidelira, misy tamin’ireo miantsoantso ny anaran’i Kohen Rivolala. Ao an-toerana ity farany amin’ny fotoana nitrangan’izany

 

. Mitety tany manapariaka ny fahaizany manasitrana aretin’ny maizina amin’ny alalan’ny kabalistika ctic ctac dou. Ray aman-dreny maro no nametraka fitoriana, miahiahy azy ho fototr’io firongatry ny ambalavelona ao Miandrivazo io, ataony fitadiavam-bola noho izy milaza ho mahay manasitrana. Nosamborin’ny polisy i Kohen Rivolala ny alarobia sy ireo olona telo niara-dia taminy. Nahitana karazan-javatra mampiahiahy toa raokandro sy ody gasy tamin’ny gony niaraka tamin’ny entany rehefa nosavaina.

Fitsaram-bahoaka

Niakatra ny hatezeran’ny olona omaly hariva, nahita ireo ankizy maro nidelira, nihinjitsinjitra ary misy milaza fa « avoahy ny sefonay » ary dia nirohotra tany amin’ny kaomisarian’ny polisy nitaky ny hamoahana an’i Kohen Rivolala hatao fitsarambahoaka ary koa nikasa ny handoro ny fiara Volkswagen Touareg nentin’izy ireo mitety faritra. Nanapa-kevitra ny polisy fa hamindra toerana an’i Kohen Rivolala any amin’ny borigadin’ny zandary hisorohana ny sakoroka. Nandritra ny famindrana azy, dia tsy nanaiky ny olona raha tsy notapahina, lasa hetin’akoho, ny volo lavan’i Kohen Rivolala. Navarin’izy ireo ao amin’ny ranon’i Mahajilo izany. Notazonina ao amin’ny kaomisaria kosa ireo fanafody gasy sy ny fiarany, hatao porofo amin’ny fanolorana azy amin’ny Fitsarana, raha efa saika havarina tany anaty rano ihany koa rehefa tsy nodorana. Nivory maika ny vondron’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra ao Miandrivazo omaly hariva, manoloana ity raharaha ity. Niakatra maika aty an-drenivohitra omaly ny lehiben’ny Fampanoavana ka miandry ny fiverenany ny fanolorana an’i Kohen Rivolala ny Fitsarana. Mandrampiandry izany, dia fantatra fa hosolaina ny lohany anio.


Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT