Actualités

Kohen Rivolala «Azo amboarina ny vintana»


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2012

Tsy ny sehatry ny famantarana ny hoavy ihany no manavanana ny Kohen Rivolala izay nahazo fanomezam-pahasoavana fa efa miroso tanteraka amin’ny fanamboarana vintana sy ny famahana ireo olam-piainan’ny olombelona vokatry ny ankaso sy ny sompatry ny mpiara-monina ihany koa izy ankehitriny.

 Nandritra ny tafa nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy no nanamafisany fa maro ireo efa nanjifa fahasoavana tamin’izany. Tojo ny Tia Tanindrazana teny amin’ny Sinagoga Hebraika judaisme Ambanilalana Itaosy toerana fandraisany ireo olona liam-pahasoavana, ny lehilahy iray sahabo ho 50 taona, monina eny Ivato izay nanambara taminay fa nahita fahombiazana tanteraka tamin’ny fikarakarana nataon’ny Kohen Rivolala.

Raha fintinina, nitrangana olana goavana ny lehilahy teo amin’ny sehatry ny varotra izay asa fivelomany ary saika efa namoifo mihitsy no tojo fahasoavana goavana tsy nampoiziny noho ny fikarakaran’ny Kohen Rivolala izay niompana betsaka tamin’ny fanarenana ny vintana sy fanalana ireo ratsy rehetra misakana ny fahasoavana. Nanterin’i Rivolala hatrany ihany koa ny tsy maintsy hahatanteraka ny fodian’ny Filoha Marc Ravalomanana, hilatsaka hofidiana ary ho lany amin’ny isanjatom-bato avo dia avo.

Lalasoa R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT