Kmf

Cnoe Mitaky ny mangarahara momba ireo “Raiamandreny mijoro”


  • Zoma 25 Jona 2010

Mamerimberina hatrany ny Kmf /Cnoe amin’ny alalan’ny filoha nasionaliny, Razafindrainibe Ernest fa tokony hatao mazava tsara ny mikasika ireo izay hikarakara ny fikaonandoham-pirenena.

Ny tian-kambara eto dia ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo Raiaman-dreny Mijoro. Mbola manjavozavo ihany mantsy araka ny fanazavan’ny filohan’ny Kmf/Cnoe ny momba ireo rafitra roa ireo. Mahaleo tena marina ve izy ireo, sa mbola mandray baiko avy amin’ny fitondram-panjakana ? Ary manao ahoana ihany koa ny hoenti-manana hahafahan’izy ireo miasa ? Tokony hisy, araka ny hevi-dRazafindrainibe Ernest ny fanazavana indray mandeha ary atao fantatry ny besinimaro mikasika ireo rafitra misy hikarakara ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mety mantsy, araka ny fahitany azy raha toa ka mbola mandray baiko avy atsy na mahazo toromarika avy aroa izy ireo. Mila mipetraka mazava tsara, araka ny filazany ny satan’izy ireo, ny fomba fiasa ary ny fomba fanapahan-kevitra ihany koa.

Tsara homarihana fa tsy tafiditra ao anatin’ny Vondron’ny fiarahamonim-pirenena hikarakara ilay fikaonandoham-pirenena ny Kmf/Cnoe hatramin’izao, na dia efa hatry ny ela ihany aza izy ireo no nilaza fa vonona amin’ny fihaonana na fivoriana, na fanelanelanana sy izay zavatra azo atao rehetra mba hikarohana vahaolana amin’ny krizy. Ary tsikaritra fa dia nandefa solontena foana izy ireo tamin’ny fihaonana nokarakarain’ny FAT, sy ny nataon’ireo ankolafy hafa. Na dia eo aza anefa izany fahavononana izany, dia maro amin’ireo mpanara-maso akaiky ny toe-draharaha politika eto Madagasikara ihany no tsy mahazo tsara ny tian’ny Kmf/Cnoe ahatongavana, ka misy mihitsy aza ireo alaim-panahy mieritreritra fa mba mitady seza tahaka ny mpanao politika koa angamba ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity fikambanana ity, indrindra fa taorian’ny nahavoatendry ny Sekretera jeneraliny ho mpikambana feno eo anivon’ny CENI, izay rafitra natsangan’ny FAT samirery, ary tsy mbola afa-miasa tsara hatramin’izao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT