Henjana ny fanehoan-kevitry ny Firaisamonim-pirenena KMF/CNOE miantefa amin’ny mpitandro ny filaminana. “Mbola mitana ny andraikitra napetraky ny lalàna taminy ve ireo foloalindahy ?”, hoy izy ireo.
Amin’ny maha mpanara-maso ny fiainam-pirenena, dia tsy hay ny hangina ka hijery fotsiny ny zava-misy, indrindra ny mahakasika ny fiainan’ny vahoaka mivantana, hoy ity vovonana ity. Tsy azo odian-tsy hita fa tena miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana tanteraka ny vahoaka. Maro ny endrika isehoany eto amin’ ny firenena na an-drenivohitra na ambanivohitra, eny fa na hatrany an-dranomasina aza, hoy ny KMF/CNOE. Na handeha hivoaka ny trano na hamonjy toeram-piasana dia mitaintaina avokoa ny vahoaka Malagasy, anisan’izany ny fakana olona an-keriny, ny fanendahana etsy sy eroa, ny vaky trano arahina vono olona, ny fanafihan’ny dahalo ireo vahoaka izay efa mahenika ny tanàn-dehibe mihitsy, ny fisandohan’andraikitra sy ireo asan-jiolahy maro samihafa tsy tambo tononina. Ny zavatra mampalahelo dia maro ireo mpitandro ny filaminana no mpandray anjara sy voatonontonona, toy ny zava-nisy tany Antsakabary, nandorana ireo trano an-jatony maro, ny fanafihana ny tobin-dry masera sy famonoana pretra, ny zava-nitranga teny Ivato momba ilay resaka volamena, ny rongony 20 gony izay tratra tany Ihosy... Miroborobo fatratra ireo mpanafika tranombarotra manerana an’Antananarivo. Mba aiza ho aiza ireo mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ? Notsiahivin’ny KMF/CNOE fa ny foloalindahy no tompon’andraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna ary natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany satria tandroka aron’ny vozona. Aoka mba tsy ho fandraisana andraikitra am-bava fotsiny no atao fa porofoy amin’ny asa mivaingana azo tsapain-tanana mba hananan’ny vahoaka fitokisana tanteraka aminareo tompon’andraikitra isan-tokony, ny filoham-pirenena, ny governemanta sy ireo minisitera voakasika mivantana ary ny ambaratongam-pahefana rehetra, hoy ny fanambarana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.