Actualités

KME sy ny TGV Nifandom-bera fa nandresy ny ENY


  • Alatsinainy 29 Novambra 2010


«Tsy maintsy atao maresaka sy makotroka isaky ny Faritra sy ny Distrika ary ny Kaominina samy hafa, ny fandresen’ny ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka teo iny». Teny manainga ny vondrona KME sy ny TGV manerana ny nosy izany, ka nanaraka izany koa ireo KME sy ny TGV tao Toamasina. Ny sabotsy tolakandro tao amin’ny sekolim-panjakana CEG Radama I no nanantontosana ny lanonana, natrehan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny Faritra Atsinanana eo anivon’ny vondrona TGV sy ny mpiara-dia aminy rehetra.

Teo koa ireo olom-panjakana nasaina manokana. Nampatsiahivin’ny filoha lefitry ny Kongresy, Rtoa Naharimamy Irma Lucien, ny vokatra azon’ny ENY farany teo, tao Toamasina I moa no isan’ny ambany indrindra manerana ny nosy ny taham-pifidianana, na dia efa nitombo 8.000 teo aza ireo nifidy tamin’ny alalan’ny karinem-pokontany sy fanamarinam-ponenana, ka tafakatra 41,27% izany. Teo amin’ny 49,18% kosa ny tao Alaotra Mangoro, raha nanodidina ny 54% ny tao Analanjirofo sy ny Atsinanana. Ny ENY moa teo amin’ny 75% teo avokoa ary ny TSIA nanodidina ny 25% teo kosa. Koragno mangingina samy mpiara-mitolona sy nifanentana teo anivon’ny KME ny lanonana, ka tsy maro ireo nasaina, na ireo mpiara-dia aza vitsy no nanohana ny antso, mba tsy hilazana fa an-jatony monja.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT