Nandritra ireny hetsika teny amin’ny toby miaramila BANI ireny dia anisan’ny nanaitra ny olona ny tsy nahitana ny Kly Ravalomanana Richard teny an-toerana, tsy toy ny raharaha FIGN teny Fort Duchesne. Ny ampitson’ilay fanambarana, izany hoe ny alakamisy dia naely tamin’ny haino aman-jery fa tonga teny an-toerana ity kolonely lehiben’ny Emmo-Reg ity nanao fifampidinihana tamin’ireo manamboninahitra. Namaly avy hatrany anefa izy fa tsy teny ary diso izany vaovao izany. Nandeha ny fanambarana ny amin’ny tokony hialan’ny mponina rehetra manodidina ny BANI, ny zoma.
Tsy mbola anisan’ireo nitarika miaramila teny ihany koa ny Kly Ravalomanana Richard. Ny sabotsy maraina dia teny Ambohitsorohitra avokoa ireo kolonely mitana fibaikona teto an-drenivohitra nefa tsy tazana teny ny tenany. Niainga ny sabotsy hariva, na zandary na tafika dia teny Ivato avokoa. Tsy teny ihany koa anefa ny Kly Ravalomanana Richard. Fialany amin’ity resaka ity dia nolazainy fa raharaha miaramila no teny. Mahagaga anefa toa tazana teny ny lietna-Kly Lylison izay zandary. Teny ihany koa ny GSIS. Velom-panontaniana ny maro hoe, inona no antony tsy nandehanan’ny Kly Ravalomanana Richard teny amin’ny BANI mihitsy hatramin’ny farany ? Tahotra ireto manamboninahitra ireto ve sa noho ny antony hafa ? Manitikitika !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.