Actualités

Kly Charles sy ny namany Zandary 200 isa no miambina azy ireo


  • Zoma 26 Novambra 2010


Fito andro izay no nisamborana ireo mpikomy tetsy amin’ny BANI Ivato. Fito andro koa izay ny fanadihadiana an-dry Kolonely Charles sy ny namany tao Ankadilanana. Raha araka ny vaovao azo avy etsy Ankadilalana dia anio no mety hatomboka amin’izay ny fanolorana azy ireo eo anivon’ny Fampanoavana. Tsy tsara loatra mantsy ny mitazona ela ireo manamboninahitra ireo ao amin’ny toby satria lasa manavesatra ny asa andavanandron’ny zandary, raha araka io fanazavana io ihany. Ny tompon’andraikitry ny CIRGN no nampahalala fa tsy latsaky ny 200 isan’andro ny zandary ampiasaina amin’ny fiambenana ny toby sy ny fanadihadiana ireo voasambotra. Hatreto aloha dia tsy mbola afaka mifanerasera amin’ny fianakaviany sy ny olon-kafa ankoatra ny mpanao fanadihadiana ireto manamboninahitra ireto. Fantatra koa fa rehefa vita tanteraka ny fanolorana azy ireto ny Fampanoavana vao hanomboka indray ny fihainoana ireo izay voatazona etsy Tsiafahy. Mbola tantara lava, arak’izany, ity raharaha ity... 

r.d
 
sary : Lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tsikaritra teo an-tokotanin’ny zandary Ankadilalana omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT