Tontosa omaly alatsinainy 12 febroary maraina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fanoloran’ny Kaominina Antananarivo fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny Klioban’ny Uscafoot sy ny IRC (Iarivo Rugby Club), izay samy eo ambany fiahian’ny Kaominina Antananarivo.
Baolina 10 ho an’ny Uscafoot sy 2 ho an’ny IRC ireo natolotra ireo. Tanjona amin’ny fanaovana ny fanatanjahantena ny mba hitondra fampandrosoana ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra sy hitezana ny tanora mba tsy hirona amin’ny zava mahadomelina sy halatra samihafa… Nangataka tamin’ireo mpilalao ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana mba hanangana komisiona mba hitondrana ny hetaheta sy ny fangatahan’izy ireo hahafahana manampy azy. Midera manokana azy ireo ny ben’ny tanàna manoloana ny filofosany amin’ny fanatanjahantena, ka mampirisika hatrany izy amin’ny fanomezana lanjany ny fanatanjahantena. Tetsy an-daniny, nangataka ny solontenan’ireo mpilalao roa tonta ny hanomezan’ny CUA asa ho an’ireo mpilalao tsy mbola manana asa. Mbola hitohy ny fihaonana amin’ireo ekipa tsy an’asa sy ny ben’ny tanàna handinihana miaraka ny olana mianjady amin’izy ireo anio. Tsara marihana ihany koa fa eo am-panomanana ny tompondakan’Analamanga manomboka amin’ny sabotsy izao ny USCAFOOT ary ny IRC kosa manomana ny “amboaran’ Antananarivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.