Actualités

“Kits scolaires” Sachet fotsy no solon’ny kitapo


  • Alarobia 24 Oktobra 2012

Nampamangy ny kitapo babena fanome ny mpianatra tamin’ny andron-dRavalomanana fa nosoloin’ny olona “sachet fotsy” izany ankehitriny, ary nasesika tao ireo kahie sy stylo.

 Sachet fotsy amin’ireny 200 Ar na 300Ar ireny, misy soratra hoe : “Ny mpiara-miombon’antoka ho an’ny fanabeazana eto Madagasikara, Mampirisika ny ankizy hampitombo fahalalana hatrany hatrany”. Izay no endriky ny “kits scolaires” nozarain'ny fanjakana tamin’ny ankizy mpianatra tany ambanivohitry ny Kaominina Sahanamboitra Distrika Manakara, Faritra Vatovavy Fitovinany. Nimenomenona tokoa ireo ray aman-dreny tany teo anatrehan’izany, ary niteny hoe : "Mihevitra anay ho adala ny fanjakana". Ireo ankizy koa, nahagaga fa tsy dia niraika akory nandray ireto fitaovam-pianarana natolotra azy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT