Actualités

“Kits scolaires” avy amin’ny AIRTEL Mpianatra 350 isa indray no nisitraka azy


  • Sabotsy 11 Novambra 2017

Tsy nanadino ireo ankizy madinika manovo fahalalana eny anivon’ny sekolim-panjakana ny orinasam-pifandraisana Airtel amin’izao fanombohan’ny taom-pianarana 2017-2018 izao.

 

Mpianatra miisa 350 misandrahaka amina sekoly EPP roa eto amin’ny Faritra Analamanga dia ny EPP iray ao amin’ny kaominina Mangamila sy ny EPP ao Alarobia no nahazo tombontsoa. Omaly zoma no nanolorana tamim-pomba ofisialy ny anjaran’ireo mpianatra any Mangamila notarihin’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny Airtel Atoa Andry Ratsimbason. Amin’ny 17 novambra ho avy izao kosa no hanolorana ny anjaran’ireo kilonga madinika manovo fahalalana eo anivon’ny EPP Alarobia, miampy fanomezana kojakojam-pidiovana hahafahana miady amin’ny valanaretina ho ana mpianatra miisa 150. Arahina fanentanana ny mpianatra mikasika ny tokony hanasana savony amin’ny tanana hatrany izany. Tamin’ny volana oktobra lasa teo dia nisy ny fanomezana fotsimbary tamin’ny gony ho an’ireo mpianatra miisa 300 eo anivon’ny EPP Mahavelona notanterahin’ny Airtel niampy  fitaovam-pianarana maro isan-tsokajiny. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’ny fikarakarana ireo ankizy madinika, indrindra ireo sahirana ara-pivelomana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT