Actualités

Kitra vehivavy – Lalaon’ny nosy Mpilalao 25 hiroso amin’ny fampivondronana faharoa


  • Alarobia 10 Jona 2015

Taorian’ny fampivondronana voalohany natao ny 18-30 mey teo, tafiditra amin’ny fanomanana ny Lalaon’ny nosy, dia hiroso amin’ny fampivondronana faharoa eny Carion indray ny Barea vehivavy ny 11-21 jona izao.

Mpilalao 25 tamin’ireo 35 teo aloha no voatazona hanaraka izany. Mpanazatra voalohany manomana azy ireo moa Rakotomalala Johary. Marihina fa 20 amin’ireo ihany no hotazonina farany hihazo an’i la Reunion amin’ny volana aogositra. Voahaja ny lojika satria ny 10 amin’ireo voatazona ireo dia avy amin’ny klioban’ny SabNam izay tompondakan’i Madagasikara farany teo ahitana an-dry Faranirina Sophie Irene sy ny namany. Ny ankamaroan’izy ireo koa dia taninketsa vao misondrotra avy eto Analamanga sy Vakinankaratra. Misy koa ireo avy amin’ny FC SAVA, FC AO DIANA, SOM Boeny ary FC Mapaci.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT