Actualités

Kitra – Tompondakan’i Madagasikara Hidona amin’ny Ascum any Mahajanga ny Cnaps sy IFC


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Raikitra ny fihodinana faharoa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara. Klioba 12 mizara vondrona roa moa no hiatrika ity dingana ity ka i Mahajanga sy Toamasina no handray ireo lalao

 

. Ny zoma 11 hatramin’ny alahady 20 septambra no hanaovana ireo andro dimy hanamarika io fihodinana io. Izay ekipa roa voalohany avy amin’ireo vondrona ireo moa no hahazo ny tapakila hiatrehana ny dingan’ny famaranana, ilay antsoina hoe “Poule des As”. Ireto avy ireo ekipa enina hiady toerana any Mahajanga : Cnaps Sport Itasy, AS Comato Ihorombe, IFC Analamanga, FC Prescoi Matsiatra Ambony, Ascum Boeny ary ny FC Cousin Amoron’i Mania. Any Toamasina kosa ahitana ny FCE Atsinanana, Ajesaia Bongolava, FC Joel Sava, Tana FC Analamanga, HZMA 3FB Alaotra Mangoro ary ny 3FB Toliara Atsimo Andrefana. Ny 11, 13, 16, 18, 20 septambra moa no daty hanaovana ireo lalao rehetra.

Rasanda Serge

Hilalao any Mahajanga ny Cnaps Sport


Fandaharan-dalao : 11 septambra


Mahajanga :
11:00-IFC-AS Comato
1:00-Ascum-FC Cousin
3:00-Cnaps-FC Prescoi


Toamasina :
11:00-3FB Toliara-Tana FC
1:00-Ajesaia-FC Joel
3:00-FCE-HZAM 3FB

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT