Tsotsorimamba farany hamaritra izay tena mafy ! Lalao goavana tokoa ny lalao miverin’ny « Super Coupe » izay hifanandrinan’ny Cnaps Sport Itasy, tompondakan’i Madagasikara sy ny Elgeco Plus Analamanga, tompon’Amboaran’i Madagasikara ary hatao etsy Mahamasina ny alahady izao
. Tsiahivina fa ny 1 febroary no nanaovana ny lalao mandroso tany Miarinarivo tao amin’ny kianja Paisokely ka nisaraka sahala tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta tamin’io. Ny fiatrehana ireo fifaninanana afrikanina ho an’ireo tarika ireo ary niitatra hatraty amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Oseana Indiana ho an’ny Cnaps sport no tsy maintsy nomena laharam-pahamehana ka nampitarazoka ny datin’ny lalao miverina ity. Hilalao an-tanàna ny Elgeco amin’io lalao miverina io ka ho tombony ho azy ve izany ? Etsy an-kilany dia efa zatra tanteraka an’i Mahamasina koa ny ekipan’Ampatsakana izay natetika nahafeno io kianja io hatrany rehefa nandray fifaninanana iraisam-pirenena. Hanokatra ny fotoana amin’io alahady io moa ny lalao ara-pirahalahiana eo amin’ny ekipan’ny federasiona sy ny mpanao gazety.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.