Izay indray vao nahafeno hipoka an’i Mahamasina ny baolina kitra rehefa miatrika fifaninanana iraisam-pirenena ny ekipam-pirenena.
Niatrika ny lalaony faharoa tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2017 (Gabon) moa ny Barea ary nandray ny Palancas Negras Angoley. Nirava sahala tsy nisy nitoko moa ny roa tonta ary hita fa niezaka ireo mpilalao. Tokony ho nandresy ihany ny Malagasy saingy nanao ny tsy nambinina.
Samy nanakiana ny kianja ho tsy nahafahany nahavitana endri-dalao loatra moa na ny mpanazatra angoley, Catato Filemon na ny kapiteniny, Bartolomeu Jacinto. Niaiky ny hafainganan’ny lalaon’ny Malagasy koa anefa izy ireo. Na ny mpanazatra malagasy, Andrianjoelison Nirina “Raniry” aza dia mbola nahateny mikasika io kianja io koa. I Johan Paul, kapitenin’ny Barea kosa dia naneho fahakiviana ihany satria tena tokony ho nandresy mihitsy isika, hoy izy raha nekena ilay “penalty”.
Nanambara moa ny Sekretera jeneralin’ny federasiona, Rakotomalala Stanislas fa na teo aza ny fatiantoka 10 tapitrisa Ariary fandraisana iny lalao iny dia homena fankasitrahana fankaherezana 2 hetsy Ariary avy isan’isany ireo Barea 23 sy ny “Staff” noho ny ezaka nataon’izy ireo. Ny 11 oktobra indray ny lalao manaraka hihaonana amin’i Centrafrique etsy Mahamasina.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.