Actualités

Kitra – CAN 2017 Resin’ny RD Congo i Madagasikara


  • Alatsinainy 15 Jona 2015

Lavon’ny Leoparan’ny RD Congo tamin’ny isa 2-1 i Madagasikara tamin’ny lalao voalohan’ny fifanintsanan’ny CAN 2017 izay natao tany RD Congo omaly alahady. Efa nampihorohoro ny

 

mpampiantrano ny tifitra nataon-dRandriambololona Zotsara vao nanomboka fotoana fohy ny fihaonana. Mbola tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta hatreo ampialantsasatra. Nitarika 2-0 aloha ny mpampiantrano tamin’ny fidirana faharoa ka nampiditra ny baolina i Firmin Mumbele (58’) sy Joel Kimwaki (72’). Nampiditra ny baolina malagasy tokana kosa i Jeannot Voambola (76’). Isan’ny nanamarika ity lalao ity ny fivoahan-dRaharison Jean Chrisostome (Bota) mpiandry harato teo am minitra fah-30 tamin’ny fidirana voalohany rehefa hita fa narary ary nosoloin-dRandrianasolo Jean de Dieu (Leda). Mikasika ny vokatra hafa tao amin’ny vondrona misy antsika malagasy, i Angola nanamontsana an’i Centre Afrika tamin’ny isa 4-0. Marihina fa mbola hisy lalao dimy hatrehintsika malagasy taorian’iny tany RD Congo iny. Handray an’i Angola i Madagasikara ny 4, 5 na 6 septambra.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT