Telo herinandro sisa dia higadona ny fetin’ny krismasy. Samy efa miomana amin’izany avokoa ny rehetra, indrindra fa ireo manan-janaka madinika hividy kilalao hatao fanomezana
. Raha ny fanadihadiana natao dia manomboka amin’ny 5.000 Ar no vidin’ny kilalao iray eny an-tsena arymahatratra 800.000 Ar ny lafo indrindra ho an’ireo karazana fiarakely azo taingenana. Somary niakatra ny vidiny izay mahatratra hatrany amin’ny 30 %, izay nambaran’ireo mpivarotra fa nanomboka tamin’ny faran’ny volana novambra. Hatrany am-potony mihitsy izany, hoy izy ireo. Ho an’ity renim-pianakaviana iray nividy kilalao tetsy Mahamasina dia nambarany fa efa nanokam-bola hividianana kilalao mihitsy izy ireo hatramin’ny volana jona no ho mankaty. 20.000 Ar isam-bolana no nangonin’izy mivady hividianana kilalao ho an’ireo zanany roa. Antony dia mavesatra tsy toy ny mahazatra ny fandaniam-bola rehefa fety ka rariny raha hangonina manokana ny vola hamidy kilalao ho an’ny ankizy rehefa fety tahaka izao entina hamalifaliana azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.